Olana hatrany eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fanofanana momba ny fandraharahana ny amin’ny fambolena. Maro be anefa ankehitriny ireo tanora efa mitodi-doha amin’io sehatra io.
Misy amin’izy ireny no mandimby ny zavatra nataon’ny ray aman-dreniy fotsiny, hany ka mitovy ihany ary tsy misy fitomboana sy fivorana ny fandraharahana amin’ny famokarana ataony 11 tapitrisa isan-taona ny tanora afrikanina efa afaka miditra amin’ny sehatry ny asa nefa 3 tapitrisa ihany no tafiditra amin’ny sehatra ara-dalàna. Raha ny eto Madagasikara manokana dia saiky mirona mankany amin’ny fambolena hatrany ireo tanora tsy an’asa ankoatran’ireo manao ny asa tena izay ahazoana vola maika fotsiny. Tokony hisy ny fiaraha-miasa matotra amin’ny minisiteran’ny indostria sy ireo afaka mamatsy vola, hanaovana fanofanana ireo tanora hisehatra amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena. Tanjona ny hamoronana aa ho an’ny tanora miainga amin’ny fiofanana atrehiny ary tsy hiantehitra amin’ny famatsiam-bola ivelany fa tena hahay hanodina ny eo an-tanany. Mifamatotra tanteraka ny fandraharahana amin’ny fambolena sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara noho ny fironan’ny maro an’isa amin’io sehatra io amin’izao fotoana izao. Araky ny fantatra mantsy dia ireo tanora Malagasy latsaky ny efa-polo taona no voasarika amin’io sehatra io kanefa tena tsy ampy ary zara raha misy fiofanana. Izany ihany anefa no mba ahafahany mamorona ireo tetikasany ka ilàna fandraisan’andraikitra tanteraka amin’ny fanjakana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.