Toekarena

Fandraharahana amin’ny fambolena Omen-danja ny fanofanana ny tanora


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Nanomboka ny alatsinainy 22 janoary 2018 teo ilay atrikasa fanofanana momba ny fandraharahana ny amin’ny fambolena notanterahana tetsy amin’ny hotely le Pavé Antaninarenina. Noho ny hamaroan’ny tanora tsy an’asa manerana an’i Afrika no nanaovana ny fampiofanana, hoy ny Dr Samuel Mathey, manampahaizana manokana amin’io sehatra io.

11 tapitrisa isan-taona ny tanora afrikanina efa afaka miditra amin’ny sehatry ny asa nefa 3 tapitrisa ihany no tafiditra amin’ny sehatra ara-dalàna, hoy izy. Misy, araka izany, ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny indostria sy ny BankyAfrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD), hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera Andriamatoa Jean Jacques Rasamoelina ka ny tanjona dia ny hamoronana asa ho an’ny tanora miainga amin’ny fiofanana atrehiny ary tsy hiantehitra amin’ny famatsiam-bola ivelany (zero capital). Tanjona tratrarina ny hanomezana asa ho an’ny tanora afrikanina miisa 25 tapitrisa hatramin’ny taona 2025, hoy ihany ny mpanofana ary tsy diso anjara amin’izany ny tanora Malagasy. Ny fikambanana afrikanina ho amin’ ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ara-toekarena (FAFEDE) no tompon’antoka amin’ity fampiofanana ity ary hisy ny taratasy fanamarinana hozaraina ho an’ireo izay nanatrika hatramin’nyvoalohany amin’ny daty farany dia ny 25 janoary ho avy izao. Tanora Malagasy latsaky ny efa-polo taona miisa 150 no nandrasana ary efa tratra ny tanjona satria efa feno io isa io amin’izao fotoana. Ilaina ny fiofanana tahaka itony satria iaraha-mahalala ankehitriny fa maro loatra ny tanora Malagasy tsy an’asa ka ny atrikasa sahala amin’izao no mba ahafahany mamorona ireo tetikasany.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT