Toekarena

Fandraharahana amin’ny fambolena Mila vahana ireo olan’ny tantsaha


  • Zoma 06 Aprily 2018

Mampivoatra haingana be ny tontolo ambanivohitra sy paika tena mahomby ny fidirana amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena na ny agribusiness.

 

Olana anefa ny  fahavitsian’ny  teknisianina manampy sy manoro ary mampita ny tombony be azo amin’io sehatra tokony hiantraika mivantana amin’ny tantsaha io. Tsy misy ihany koa ny fampianarana na fampiofanana ka tsy mahafantatra momba izany ny tantsaha. Vokany, misafidy hatrany ny asa tany fotsiny  izy ireo. Amin’io fandraharahana io anefa no azo anomezana sehatra azy mba handray an-tanana tanteraka ny fampandrosoana ny fambolena ataony ary mipaka  mihitsy amin’ny vola miditra aminy. Io sehatra io no mba mijery manokana ny tantsaha ary manampy azy hanatsara ny fari-piainany. Iaraha-mahalala fa tantsaha ny maro an’isa amin’ny Malagasy ka rehefa miaina tsara izy ireo dia  hiteraka fampandrosoana izany satria miankina amin’ny fambolena ny toekaren’i Madagasikara. Ilaina ny fidiran’ny sehatra tsy miankina handray anjara amin’io sehatra io. Mifampiankina sy misy fifampitohizana mantsy ny sehatra fambolena sy ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina amin’io fandraharahana atao io. Rehefa miakatra, ohatra, ny vokatra dia ilaina ny fitaterana azy izay mety ho sehatra tsy miankina no handray an-tanana izany. Mbola olana ihany koa ny tsy fandraisan’anjaran’ny fanjakana ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana ka miteraka sakana ny amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena. Mila jerena akaiky io sehatra io satria manatsara ny ara-tsosialy sy ny fidiram-bolan’ny tambanivohitra. Rehefa izay dia ho tamana tsara hijanona any aminy izy ireo fa tsy hitsoaka fahantrana hiakatra an-drenivohitra.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT