Toekarena

Fandoavan-ketra taona 2020 Nitondrana fanazavana ireo fanovana anaty lalànan’ny tetibola


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Tahaka ny isan-taona dia misy hatrany ny fanovana mahakasika ny fandoavan-ketra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI).

 

 

Notanterahana omaly tetsy amin`ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina ny tsara ho fantatra momba ny fanovana ara-ketra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2020 ity. Raha tsiahivina, 4029 miliara ariary ny hetra tratrarina hiditra amin’ity taona 2020 ity raha toa ka 3173 miliara Ariary no azo ny taona 2019. Ho fanatrarana ny tanjona dia efa nisy hatrany ny fakan-kevitra sy ny fanazavana natao tamin’ireo mpisehatra rehetra. Ankoatra izay, ny fampahafantarana sy ny fampiharana ireo fanovana momba ny hetra anaty LFI 2020 no nitondrana fanazavana tamin’ireo rehetra voakasik’izany mba tsy ho tompon-trano mihono izy ireo. Na dia eo aza ny finiavan’ny fanjakana hampiakatra ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra dia tsy misy aloha ny hetra vaovao noforonina ary tsy nisy ihany koa ny fampakarana ny tahan’ireo hetra misy. Zava-baovao 3 lehibe voarakitra ao anatin’ny LFI 2020 no nampahafantarina. Mahakasika ny sehatra ara-tsosialy dia nahena ho 10% ny hetra alaina amin’ny tombombarotra amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana raha toa ka 20% izany teo aloha. Voakasika izany avokoa ireo sekoly sy toby fitsaboana rehetra tsy miankina. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fanovana momba ny sehatra fananan-tany ho fanamorana sy ho fampirisihina ny Malagasy rehetra hikarakarana ny taratasin-taniny. Amin’izao fotoana izao dia nofoanana ny fakan-ketra amin’ny taratasy fandovana (droit de succession) sy ny taratasy fizarana (droit de partage). Nitondrana fanazavana ihany koa ny mahakasika ny hetra alaina amin’ny tsena baro-panjakana. Ny 92% no an’ny olona mahazo ny tsena ary ny 8% ambiny izany no hetra aloany.  Na izany aza dia mbola mipetraka daholo ireo adidy ara-ketra (obligations fiscales). Nanambara ny Tale Jeneralin’ny Hetra, Atoa Germain fa natao izany rehetra izany ho fanatsarana ny fampidiran-ketra sy ho fitsinjovana ny Malagasy ary mba hisehatra amin’ny ara-dalàna ny maro an’isa. Malaina ny Malagasy mandoa hetra ka mbola ambany hatrany ny tahan’ny fampidiran-ketra izay manome 7,91% monja amin’ny mponina miasa. Miisa 378 000 monja ireo mpandoa hetra raha tokony efa hananika ny 980 000 izany amin’izao fotoana izao.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT