Toekarena

Fandoavan-ketra Mila mazava tsara amin’ny rehetra


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Tokony hahemotra faran’ny volana jona ny ankamaroan’ny fandoavan-ketra araka ny fangatahan’ireo mpandoa hetra.

 

 

Misy anefa ny fanambarana milaza fa tokony mandoa in-2 miantoana indray ka ny 15 mey no voalohany ary ny 15 jona ny faharoa. Iaraha-mahalala fa efa mipaka ary misy fiantraikany ratsy amin’ny vola miodina sy ny fidiram-bolan’ny orinasa lehibe, Madinika sy salantsalany ary ny isam-batan’olona mihitsy ny krizy ara-pahasalamana ka izany no antony nanalavana ny fandoavan-ketra. Mahakasika ny hetra azo amin’ny vola miditra (IR) izay nolazaina fa azo atao ny mandoa izany indroa miantaona miatomboka ny 15 mey dia mampametra-panontaniana ny maro ny indray ny mahakasika izany. Ny fananganana ny drafitra ara-bola (etat financier) mantsy mbola tsy mivoaka kanefa asaina mandoa ny IR exceptionnel ny orinasa. Ny faran’ny vola Jona koa anefa dia mbola handoa ny hetra (acompte IR) ihany izy ireo. Velon-taraina araka izany ireo Orinasa satria ny vola andoavana ny hetra aza efa tsy misy intsony, ny fepetra napetraka anefa mbola mafy ihany koa. Misy aza ireo no mametra-panontaniana sao dia mbola variana hameno ny kitapom-bolany indray ny fanjakana kanefa izy ireo no tokony hanampy ireo orinasa rehetra tojo fahasahiranana amin’izao fotoana izao. Tokony heverina izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanemorana ny daty mba ho fitsinjovana ny toekarena manontolo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT