Manodidina ny 12% ny tahatsindrin-ketra afakaratsaka (taux de pression fiscale) eto Madagasikara. 20% monja ny tahan’ny fahazoana hetra (taux de recouvrement fiscal) eny amin’ny kaominina araka ny tarehimarika eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra.
Araka izany dia vitsy sady malaina handoa hetra ny Malagasy. Na dia nisy aza ny hetsika fanairana ny mpandoa hetra dia hita kely ny vokatra azo satria tsy ampy ny fanentanana ary tsy resy lahatra ny olona handoa hetra. Ankoatr’izay dia mbola olana ny fahamaroan’ny sehatra tsy ara-dalàna izay miezaka miala amin’ny fandoavan-ketra. Malaina mandoa hetra ihany koa ny olona satria tsy misy akony amin’ny fiainam-bahoaka izany. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tokony hisy ny fampiasana ireny hetra aloa ireny ho lasa fotodrafitrasa mivaingana toy ny lalana, sekoly … kanefa iaraha-mahalala ny fitantanana eto Madagasikara. Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny hetra naloa kanefa io no mampibontsina ny kitapom-bolam-panjakana. Mahakivy ny Malagasy ihany koa, indrindra ny mpandraharaha ny kolikoly misy atao amin’ny vahiny amin’ny tsy fandoavana ny hetra na mandoa fa tsy araka ny tokony ho izy (evasion fiscale) ka miteraka fahalainana aminy. Iaraha-mahalala anefa fa mihena ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana rehefa vitsy ny mpandoa hetra ary tsy afaka manao fotodrafitrasa. Raha tsara tantana ny hetra amin’ny kaominina iray dia tokony hampandroso amin’ny lafiny toekarena satria afaka manana tsena , lalana, toeram-pitsaboana izy. Mila manova ny toe-tsain’ny Malagasy mihitsy aloha raha te hanatsara ny fampidiran-ketra eto kanefa iaraha-mahita ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra izay vao mainka tsy maharesy lahatra mihitsy.
Tableau: Ireo karazan-ketra misy eto Madagasikara
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.