Toekarena

Fandoavan-ketra 60% ny an’i Talatamaty tamin’ny 2021


  • Talata 22 Febroary 2022

Nahatratra 60% tamin’ny taona 2021 ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Mbola nahatratra 70 ka hatramin’ny 75% izany talohan’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominique. Paikady hafa mihitsy no nampiasain’izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao ka anisan’ireny ny fanofanana olona manao fanentanana sy mitety tokantrano mba handoa hetra. Manampy izany ny hamaroan’ireo orinasa vaventy misy eo anivon’ity kaominina ity izay mazoto mandoa hetra ihany koa amin’ny ankapobeny. Azo lazaina ho milamina amin’ny ankapobeny ny fandoavan-ketra ho an’ity kaominina ity. Mikasika ny fampitomboana ny tahan’ireo ankizy miditra an-tsekoly manokana dia fantatra fa nahatratra 400 ny isan’ ireo ankizy notolorana kopia mari-pahaterahana maimaim-poana tao amin’ity kaominina ity andro vitsy lasa izay. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny fikambanana Justice et paix eo anivon’ny fiangonana katolika Imerinafovoany no nahafahany nanatontosa izany.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominique, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT