Toekarena

Fandaharanasa SUNREF Mamokatra angovo azo havaozina


  • Talata 09 Mey 2023

Tamin’ny volana janoary taona 2021 no nampahafantarina voalohany teto amintsika ny fiandohan’ny fandaharan’asa

Sunref izay miaro ny tontolo iainana nefa hahafahana mamokatra ara-dalana vatsian’ny AFD vola sy tohanan’ny vondrona Eoropeana. Efa nahatratra an-jatony hatreto ireo mpanohana ity tetikasa ity ka anisan’izany ny banky MCB sy ny BNI Madagascar. Tanjony ny hiaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny famokarana angovo azo havaozina, ny fanodinana akora fototra sy mandoto sy manimba ny tontolo iainana entina hanomezana fahafaham-po ny vahoaka Malagasy. Nitady mpiara-miasa maro ny Sunref noho izany mba hamaly ny hetahetany. Anisan’ny tena nahasarika ireo tompon’andraikitra ohatra ny hiara-kiasa amin’ireo vehivavy mpandraharaha eto amintsika. Efa nisy ny fifaninana tamin’ny alalan’ny fametrahana antontan-taratasy nanoloana izany ka tafiditra ireto farany. Hahazo tohana ara-teknika ireo orinasa hiara-dalana amin’ny Sunref ka ho an;ny ny angovo azo havaozina ohatra dia lasan’ny tetikasa JIROSOA izany ao amin’ny orinasa AINA. Asa hiantsorohan’ity farany ny hamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny renirano ao Amboara , Faritra Amoron'i Mania. Hahazo tombony tahaka izany ihany koa ireo mponina miisa 11.055 ao amin’ny Fonkontany Soavina sy Ambalakinana kaominina ambanivohitra Soavina. Nahazo tombony ihany koa ny orinasa Savonnerie Tropicale ao Toamasina amin’ny alalan’ny famokarana menaka azo avy amin’ny palmier. Ireo vehivavy mpandraharaha kosa indray dia ireo karazana tetikasa misehatra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no tena hiantsorohany izay marihina fa nahazoan’izy ireo fankasitrahana tokoa. Mbola hitohy hatrany ity fandaharan’asa ity.
Pati
Legende : Maika ny fanamboarana angovo azo havaozina eto amintsika hamatsiana hazavana ny mpiara-belona.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT