Toekarena

Fandaharan’asa indostrialy Hanao fifanarahana ny Fanjakana sy ny tsy miankina


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Miroso amin’ny fandrafetana ny tondrozotra amin’ny fifanarahana ara-indostrialy ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina,

ka ao anatin’ny roa andro (27 sy 29 jona 2023) no hatokana amin’ny fandrafetana ny fifanarahana ara-indostrialy etsy amin’ny Novotel Alarobia, raha ny fampahafantarana. Raisina avokoa ireo sehatra fototra sy mamaly ny filàn’ny mponina ary ny toekarena Malagasy toy ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo avaozina. Nanomboka ny talata teo ny fanaovana ny dinik’asa isaky ny vondrona araka ireo sehatra fototra ireo izay ahitana ireo mpisehatra rehetra na tsy miankina na ny rafi-panjakana izany dia voasolontena avokoa. Nojerena tamin’io andro voalohany io ireo teboka goavana tokony ho hita ao anatin’ny fifanarahana ara-indostrialy izay ahitana ireo fandraisan’andraikitry ny roa tonta (sehatra tsy miankina sy rafi-panjakana). Araka ny nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny “Journées de programmation industrielle” ny 24-26 mey 2023 lasa teo, tsy maintsy amin’ity faran’ny volana jona ity ny fifanarahana ara-indostrialy ity ho tombontsoan’ny toekarena Malagasy sy fampandrosoana ny indostria eto an-toerana. Marihana fa miaraka mifanome tanana sy miara-miasa ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izay Filohan’ny komity mpitarika eo amin’ny fanatanterahana ny dinika iarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP), hoy ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT