Toekarena

Fandaharan’asa “Fihariana” Hanohanana ara-bola ireo manana tetikasa


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nanomboka tamin`ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo ny fandaharan`asa nasionaly “Fihariana” izay natao hampindramana vola amin'ny tahany ambany amin`ireo tanora sy ny vehivavy 18 hatramin'ny 58 taona manerana an’i Madagasikara,

 

 

 

 izay manana faniriana hanangana na hanitatra ny orinasany ka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Eo anelanelan`ny 1 tapitrisa hatramin’ny 200 tapitrisa ariary no famatsiana ho azon’ireo tetikasa ireo. Any amin`ny antenimieran`ny varotra manerana ny nosy no hametrahana ny antontan-taratasy ho an`izay liana. 15 andro no handinihana ny tetikasa. Banky miisa roa sy ireo mpanome famatsiam-bola no miara-miasa amin`ny fitondram-panjakana ho fanohanana ny fandaharan`asa. Mitentina 200 miliara ariary ny petra-bola ao amin`ny Fihariana natao ho fanoitra ho an’ny tetikasan’ireo tanora Malagasy, ho fampiroboroboana ny famoronana asa, ny fampivoarana ny vehivavy sy ny tanora ary fampiroboroboana ny indostria.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT