Toekarena

Fandaharan’asa FEC Singa ara-toekarena maro no dinihina


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Findramam-bola ataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC) fa tsy an’ny fanjakana. Maro be ny singa ara-toekarena hanaovan’ny BFM fanadihadiana mialoha ny firosoana amin’ny fifanarahana.

 

Anisan’izany ny fiantraika ara-bola, ny fisondrotam-bidim-piainana, ny famokarana eto Madagasikara sy ireo maro hafa. Etsy an-daniny, manana ny fomba fiasany ihany koa ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ka rehefa ankatoaviny sy ekeny ao amin’ny filankevi-pitantanany ny vokatra azo ny mahakasika ny fiharian-karena faobe dia misitraka ny famatsiam-bola FEC ny firenena. Anisan’ny jereny amin’izany ny harinkarena faobe, ny fifehezana ny tahan’ny vidim-piainana sy ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fampidiram-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra ary ny fandraharahana ara-bolan’ny banky foibe. Tsiahivina fa manomboka ny 28 mey hatramin’ny 12 jona ho avy izao ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahadimy nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT