Toekarena

Fandaharan’asa FEC faha-6 Famatsiam-bola sisa andrasana


  • Talata 26 Novambra 2019

Nanomboka tamin’ny 11 hatramin’ny omaly 25 novambra ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahenina sady farany nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

 

 

Nanambara ny teo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), izay notarihin’i Charalambos Tsangarides fa mihatsara ny toekarena Malagasy nanomboka tamin’ny fahazoana ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena ho 4,8% ny taona 2019 noho ny ezaka natao tamin’ny fandraharahana sy ny sehatra harena ankibon’ny tany ary ny fitaterana. Na izany aza dia nisy fiantraikany ratsy tamin’ny toekarena ny fidinan’ny vidin’ny lavanila sy ny fahataran’ny tetibola fandaharan’asa (execution budgétaire), hoy izy ireo. Na dia ambony aza ny tahan’ny sondro-bidim-piainana ny taona 2017 dia tokony hotazonina ho 6% amin’ity faran’ny taona 2019 ity izany. Nambaran’izy ireo fa ilaina hatrany ny ezaka amin’ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ny fotodrafitrasa ho an’ny fahasalamana sy ny fampianarana ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny fizahantany. Tohizana ny fikatsahana ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana manontolo. Mila jerena ihany koa hoy izy ireo ny olana mahakasika ny orinasa JIRAMA sy ny vidin-tsolika izay mbola ahitana elanelana hatrany amin’ny vidiny tena izy. Hoentina eo amin’ny filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) moa izany amin’ny faran’ny volana janoary 2020 ary nampanantena izy ireo fa tsy maintsy hisy ny famatsiam-bola ho azon’i Madagasikara aorian’izay.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT