Toekarena

Fandaharan’asa FEC faha-5 Nankatoavin’ny FMI


  • Talata 11 Jona 2019

Nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahadimy nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

 

 

 Lavorary ary nizotra tamim-pilaminana izany, araka ny tatitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto tetsy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara omaly.  Mbola hisy mihitsy aza atsy ho atsy ny FEC faha-6 noho ny fahatokisan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena an’i Madagasikara, hoy izy.  Nanambara ny teo anivon’ny FMI fa mihatsara ny toekarena Malagasy nanomboka tamin’ny fahazoana ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena ho 5,2% noho ny ezaka natao tamin’ny fambolena sy ny fandraharahana. Ankoatra izay, nanainga ny toekarena ihany koa ny fanondranana lavanila sy ireo vokatry ny harena ankibon’ny tany, hoy izy ireo. Voalanjalanja ny tahan’ny sondro-bidim-piainana satria voatazona ho 6,1% tamin’ny faran’ny taona 2018. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny ezaka amin’ny fampidiram-bolan’ny fanjakana  sy ny mahakasika ny fanjakana tsara tantana, indrindra ny olana mahakasika ny vidin-tsolika. Tokony harahina an-tsakany sy an-davany ny fitsitsiana natao ao amin’ny lalàn’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ary ankasitrahana ny ezaka hatao amin’ny sehatra fanabeazana, fahasalamana ary fotodrafitrasa.

 

 Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT