Toekarena

Fandaharan’asa FEC faha-5 43,4 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny 26 jolay 2019 ny famaranana faha-5 ny fandaharan’asa “Facilité Elargie de Crédit” na FEC.

 

 

 Vola mitentina 157 108 000 000 Ariary no azon’i Madagasikara (1 dolara=3620 Ariary). Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahadimy nataon’i Madagasikara amin’ity fandaharan’asa FEC ity. Nahafa-po ary nizotra tamim-pilaminana ny vokatra azo saingy tsy maintsy manohy ny ezaka amin’ny fanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny toekarena faobe, ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe ny governemanta. Ilaina ihany koa ny ezaka amin’ny fampidiram-bolan’ny fanjakana  sy ny mahakasika ny fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny fahantrana sy kolikoly mba hampiakarana ny faripiainan’ny mponina. Hatreto dia mahatratra 302,8 tapitrisa dolara amerikanina ny fitambaran’ny vola azon’i Madagasikara tao anatin’ny fandaharan’asa FEC. Hampiakatra indray ny tahirim-bola vahinin’ny firenena  izany ary hanatsara hatrany ny toekarena ankapobeny.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT