Toekarena

Fandaharan'asa ODOF Hametraka ho tanjona ny "Distrika iray, indostria iray"


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Mikendry ny fampivoarana sy ny fampiroboroboana ny indostria mandinika sy salantsalany (PMI) eny anivon’ny distrika entina manandratra ny fahaiza-manao momban’ny fandraharahan’ny tanora amin` ny alalan` ny fandaharan` asa Distrika



Iray Indostria Iray (ODOF) ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana (MICA). Hanandratra ihany koa ireo akora sy vokatra ifotony ahafahana mamokatra eny an-toerana ireo filan’ny mponina. Araka izany, misy “plans d’affaires types” manodidina ny 30 efa voarafitra ary ho tolorana ireo manana tetikasa mifanaraka amin’ny tanjona napetraka. Tafiditra ao anatin’ny andraikitra goavana sahanin'ny minisitera ny fanohanana ireo indostria mandinika amin’ny famokarana sy ny fanodinana vokatra ifotony, ny fanamafisana ny rojom-pihariana haharitra ary koa ny fanampiana ireo orinasa ny amin'ny fivelaran'ny lalam-barotra. Isan’ny PMI voalohany voasokajy ao anatin’ny ODOF orinasa iray any Arivomamo, mpanodina ny vokatra voatabia, izay misitraka fanohanana ara-teknika hanatsarana sy hampitomboana ny sanda harin’ny orinasa. Hisandrahaka amin ny Faritra Atsinanana sy Vakinankaratra ary distrika maro hafa koa manerana ny nosy ny Fandaharan`asa ODOF.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT