Fanazavan’ny BFM momba ilay TVA 20%

« Ny zana-bola tokony haloa miampy ny 20%n’iny no haloa »


  • Alatsinainy 30 Jona 2025

Adihevitra goavana ny mikasika ny mikasika ilay TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée)

alaina amin’ny findramam-bola amin’ny Banky araka ny lalàna laharana 2024-025 tamin’ny 18 desambra 2024, nampidirina ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025. Nambara fa mihatra manomboka ny 01 jolay 2025, kanefa iharan’izany ireo nindram-bola nanomboka ny 1 janoary 2025. Nisy moa ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM Atoa Aivo Andrianarivelo, hita tamin’ny fampahalalam-baovao ny faran’ny herinandro teo. « Ho an’ny tahan’ny zana-bola, raha ohatra hoe : mindram-bola 1 000 000Ar, ka misy zana-bola 10% isan-taona ka lasa 1 100 000Ar isan-taona, dia iny 100 000Ar no taingenana 20% ka lasa 120 000Ar ny zana-bola tokony haloan’ilay mpanjifa », araka ny fanazavan’Atoa Aivo Andrianarivelo. Tonga dia mihatra ve ? Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana rehefa lany dia mihatra. Mbola hisy kosa, hoy izy, ny fifampiresahana amin’ny mpiantsehatra satria tsy vita eo noho eo ny fampiharana an’ity fepetra ity satria ny tahan’ny zana-bolan’ny olona dia efa voafetra talohan’ny nivoahan’iny lalàna iny. Eo am-panamboarana sy fifampijerena ny amin’izay izany ny Banky Foibe manampy. Tsy izahay no mametraka ny lalàna fa Fanjakana, fa izahay manelanelana eo amin’ny Fanjakana sy fampindramam-bola hoe ahoana ny fomba hanelanana amin’iny raharaha iny. Raha raisina amin’io, dia ny mpanjifa sy mpindram-bola izany no tena hizaka ny vokany, raha misy ny nieritreritra fa ilay anjara zana-bolan’ny banky no hisintonan’ny Fanjakana 20%. Raha raisina amin’io, dia lasa mampiakatra mazava ho azy ny tahan’ny zana-bola aloan’ny mpanjifa io, fa tsy ho voakitika ny tombotsoan’ny Banky mpampindram-bola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT