Toekarena

Fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany Tokony hidina ifotony ireo senatera, hoy i Rivo Rakotovao


  • Talata 10 Martsa 2020

Namerimberina ary nanamafy hatrany ny minisitry ny harena ankibon’ny tany fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanavaozana ny lalàna

 

 

mifehy ny harena ankibon’ny tany ny fanjakana. nilaza mihitsy aza izy tamin’izany fa tsy atao tahaka ny fitondrana teo aloha ka ny  resaka fotsiny no betsaka saingy tsy nisy asa tanteraka. dia misy mihitsy, hoy izy ny fanamby ary tsy maintsy tafavoaka io fanavaozana ny lalàna io. Nanambara kosa anefa ny filohan`ny antenimierandoholona, Rivo Rakotovao,  fa maro be ireo mpisehatra rehetra ary tsy maintsy henoina mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny mety ho fanavaozana ny lalàna. nanamafy ny tenany fa tokony hidina ifotony ireo senatera hijery taratra ny hetaheta sy ny filàna rehetra misy mba ho tombony ho an’ny vahoaka malagasy ny harena ankibon’ny tany ananany. tanjona apetraka amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny fitrandrahana mangarahara izay ahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony ka zava-dehibe ny fakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra tsy ankanavaka. velon-taraina ihany koa ny filohan’ny antenimierandoholona mahakasika ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany izay tonga eny amin’izao fotoana izao satria mifangaro voraka mitambatra amin’ny lalàna hafa toy ny mahakasika ny sarimihetsika sy ny fonds routier.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT