Fanatsarana ny tontolon’ny hetra eto

Niditra an-tsehatra ihany koa ny FMI


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Eto Madagasikara ireo manam-pahaizana avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI,

izay manatanteraka iraka fanohanana ara-teknika amin'ny alalan'ny FITAS na "Framework for International Tax Administration Strengthening" . Ity rafitra ity dia mikendry ny hanamafisana ny fitantanana hetra iraisam-pirenena, ny fitantanana ny TVA ary ny vidin'ny famindram-bola. Ahitana ihany koa ny fanaraha-maso aorian'ny TADAT (Tax Administration Diagnostic Assessment Tool), fitaovana ahafahan'ny Talen'ny hetra manao fanombanana manokana, mandrefy tsy tapaka ny zava-bita, ary mahita haingana ny lesoka mba handraisana ireo fepetra ilaina, araka ny fomba fanao mahomby iraisam-pirenena. Eto Madagasikara nanomboka ny 30 septambra hatramin'ny 11 oktobra ireo iraka ahitana an'i Pierre Kerjean, Yves De Santis ary Medhi Ben Brahim.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT