Notanterahina tetsy amin’ny hotely Carlton omaly alatsinainy 06 mey ny latabatra boribory ara-toekarena andiany fahadimy izay iarahan’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina.
Nandray anjara tamin’izany ny sehatra tsy miankina, ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra ary ny asa tanana, ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Tanjona ny hijerena ny olan’ireo sehatra tsy miankina eto Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary mazava ho azy ny vahaolana mifandraika amin’izany. Noresahana tao ny momba ny fanatsarana ny raharaham-barotra izay manahirana ny mpandraharaha Malagasy amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny fanamafisana sy ny fitazonana hatrany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny tsy miankina (Dialogue Public Privé). Natao izao mba hanomezana tosika sy hanatsarana ny orinasa Malagasy manontolo. Eo ihany koa ny hampiroboroboana ny sehatra fanondranana sy ny kalitaon’ny entana ahafahana mifaninana tsara. Efa voafaritra ao anatin’ilay tetikasa PROCOM vatsian’ny Vondrona Eoropeanina nandritra ireo fifanatrehana andiany faha-4 efa vita sy ity andiany fahadimy ity izany. Tahaka ny mahazatra dia misy hatrany ny fifanarahana nosoniavina ary miompana amin’ny fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena. Hiteraka tombony ara-barotra ho an’i Madagasikara izy io satria sady hoentina hanatsarana ny sehatra fanondranana no hanampiana tosika ara-bola sy ara-kevitra amin’ireo tanora hatrany amin’ny faritra. Tanjona ny hampiroboroboana amin’ny fotoana fohy ireo orinasa sy mpandraharaha mpanondrana entana ireo ka hojerena manokana mihitsy any amin’ny faritra izay lasa anjorombala nefa manankarena vokatra. Eo ihany koa moa ny fitadiavana lalam-barotra amin’ny tsenan’ny firenena samy afrikanina tahaka ny SADC sy COMESA hanatsarana hatrany ny toekarena
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.