Toekarena

Fanatsarana ny tambajotran’ny Jirama Neken’ny BAD ny fampindramana 429 000 000 dolara


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Afrikanina momba ny

 

 

Fampandrosoana (BAD) ny fampindramam-bola 42,9 tapitrisa dolara na 150 miliara Malagasy mahery eo ho an’ny Jirama eto Madagasikara, araka ny vaovao navoakan’ny Agence EcoFin, fampahalalam-baovao miresaka kokoa momba ny toekarena sy ny vola. Tafiditra ao anatin’ny dingana faharoa amin’ny PRIRTERM (Projet de renforcement et d’interconnexion des réseaux de transport d’énergie électrique à Madagascar), izany hoe mifototra bebe kokoa amin’ny fanatsarana sy fampifandraisana sy ny fitaterana ny tambajotrana herinaratra izy io. Natao hanatsarana ny fitaterana sy fitsinjarana herinaratra ho an’i Toamasina (RIT), Moramanga, Antananarivo (RIA), Antsirabe ary Fianarantsoa (RIF). Ho an’ny RIA dia hisy ny fametrahana “sous-station » miisa 4, ary hisy ihany koa ny karazana fandrohizana ny RIA sy ny RIF ary hifandray ireo amin’ireo “sous-station” ireo. Tafiditra amin’ny fampifandraisana io ny hisiana tambajotrana herinaratra 200 000 volts. Ho tonga any Antsirabe-Vinaninkarena, ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanomezana herinaratra an’i Soanindrariny.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT