FANATSARANA NY FIHARIAN-KARENA

Nahazo fiofanana ny TAMa ao Moramanga


  • Talata 21 Mey 2024

Singa iray ao anatin'ny hetsika hataon'ny TAMa na ny Tanora Actif an’i Madagasikara ny fampiofanana

momba ny décoration événementielle. Anisan’izany ny fanaingoana ny toerana hidiran’ny mpanam-bady iray ohatra, ny ao am-piangonana, ny fanaingoana ny latabatra hihinanana… Nisitrika izany ireo mpikambana ao amin'ny Tama Moramanga ny Sabotsy 18 mey lasa teo, hetsika nokarakarain’ny filoha mpanorina ny fikambanana Razafimandimby Rija Ethel. Fampiofanana fahatelo azon'izy ireo izany izay notarihin’ny mpandrindra an'i Moramanga, Ramatoa Virgine. Mbola hitohy moa ny hetsika amin’ny volana Jona ho avy izao, ka hisy fampiofanana mahakasika ny fanaovana tetikasa "Gestion de Projet" ary hisitraka izany ihany koa ny faritra hafa. Tanjona ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpikambana hahafahana manatsara ny fiharin-karena ihany koa. Rehefa afaka mamokatra mantsy ny olona iray dia tsy ho vesatra ho an’ny manodidina intsony ary hisy akony lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena izany.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny TAMa nahazo fiofanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT