Fanatsarana ny fampidiran-ketra

«Ny fanisana voahaja manaraka ny fitsipika no fototra iaingana»


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

hoy ny sekretera jeneralin’ny Olafitr’ireo manam-pahaizana momba ny fanisana sy tetibola eto Madagasikara na OECFM, Razakamahefa hajaniriana, nandritry ny atrikasa niarahan’izy ireo tamin’ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra na DGI tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly. Ny fanisana voahaja manaraka ny fitsipika, hoy izy, no fototra iaingan’ny DGI. Misy atao in-droa miantoana ao anatin’izay. Ny orinasa aloha no manao ny fanisana. Tokony hitana fanisana ny orinasa tsirairay amin’ny lalàna mikasika ny varotra. Takian’ny sata ankapobeny momba ny hetra koa izay. Ny anjaran’ny matihanina momba ny fanisana na «expert comptable» dia manamarina ilay fanisana hoe mifanaraka amin’ny PCG 2005 ve? Manome fanamarinana na «certification» sy «attestation» avy eo. Mila mifampihaino aloha izany izahay 2 tonta dia ny OECFM sy DGI. Miisa 2 izany ny dingana. Voalohany, rehefa mifankahazo ny resaka eto dia ho soratany sy atao fiainana ary ho ampitaina amin’ireo mpandraharaha miara-miasa aminay. Raha manjavozavo kosa dia mety hiakatra any amin’ny fanatsarana lalàna, ohatra. Izay no antony nanoloran’ny DGI ilay fomba fiasa hoe misokatra satria tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana no ahafahana mijery vahaolana, hoy hatrany ny fanazavan’ity sekretera jeneraly ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT