Nanao tatitra teny amin` ny Antenimierandoholona ny Praiminisitra Ntsay Chrisitian sy ny mpikambana eo anivon` ny governemanta amin`ny
fanatanterahana ny politika ankapobean` ny fanjakana (PGE) eo amin` ny fampandrosoana omaly. Tafiditra tao anatin` izany ny tatitry ireo asa lehibe izay natomboka sy efa vita, ary ny vinan` asa ihany koa. Eo amin`ny lafiny ara-pitantanana dia ho tohizina ho laharampahamena ny ady amin`ny tsy matimanota sy ny kolikoly. Ho tohizana ihany koa ny fanomezana tetibola 2 miliara ariary sy famatsiana fitaovana hampiasaina amin`ny fanamboaran-dalana isaky ny faritra ho fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaraham-pahefana amin`ny fampandrosoana . Hotohizana ihany koa ny fanomezana CLD. Eo amin`ny lafin` ny tsy fandriampahalemana kosa dia hotohizana ny fametrahana fotodrafitrasa manerana ny nosy hamerenana ny fanajàna ny lalàna sy ny fifampitokisana eo amin` ny vahoaka sy ny fanjakana, ankoatra ny famerenana ny hasin` ny fitsarana. Notsipihany ny Praiministra Ntsay moa fa dia nanao ny ainy tsy ho zavatra nanao amin`ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny governemanta. Etsy ankilany dia nanambara ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, fa “andrasana ny fampitovian` ny faritra rehetra eo amin`ny fampandrosoana. Manoloana ny zava-misy amin` izao ihany koa dia tokony hampitomboina ny serasera amin` ny vahoaka ny fanjakana”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.