Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) ho amin`ny taona 2021 no antontan-taratasy manan-danja indrindra hatolotra eny amin` ny Antenimiera amin`izao fivoriana ara-potoana faharoa izao.
Ny paikady mahakasika ny fanarenana ny toekarena no ho andrasana indrindra amin'ity LFI ity, izay hiavaka noho izy ity drafitra hivoahana amin` ny krizy misy eto amin`ny firenena. Etsy ankilany, ny sehatra tsy miankina dia miandrandra ny fidinan` ny hetra izay hamelombelona ireo sehatrasa samihafa. Raha tsiahivina dia nandroso tolo-kevitra ny vondron`ireo orinasa eto Madagasikara (GEM) ny volana oktobra teo amin` ny fampihenana ny hetra toy ny hetra ampiana lanja (TVA) izay alaina amin` ny entana ilaina amin`ny andavanandro (PPN). Ankoatr' izay dia nanamafy izy ireo amin` ny fanafoanana ny hetra amin'ny tsenam-barom-panjakana (TMP), manodidina ny 8% izay alaina amin`ny loharanom-bolan`ny asa. Heverin` ny GEM mba hampihena ny vidin'ny fanatanterahana ireo fifanarahana eo anivon` ny TMP izany. Etsy andaniny, ny fanjakana dia manomana ireo fotodrafitrasa lehibe, izay voarakitra ao anatin` ny Plan Marshall. Ity farany moa dia manana anjara asa lehibe eo amin`ny sehatry ny fanarenana. Ho an` ny hetra, dia tsy hisy ny fiakaran` izany noho ny aretina COVID-19. “Misy hetra sasany aza hanalefahana” hoy ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato. Raha ny tatitra nataon` ny Banky Foiben`I Madagasikara (BFM), ny tahan'ny tsindry haba (Taux-de pression fiscale), ankoatry ny famerenam-bola amin` ny TVA/TVAPP, dia tombanana ho 8,8% amin'ny faran'ny volana septambra 2020, raha 10,3% izany tamin'ny vanim-potoana mitovy ny taona 2019. Araka io tatitra io hatrany dia manantena ny fanjakana fa hisy fatiantoka antonony amin'ny asa fitehirizam-bola amin'ny ankapobeny (Opérations globales du trésor) raha ampitahaina amin'ny taona 2020, izay miankina amin'ny fanarenana tsikelikely ny toekarena, izay manodidina ny 3,9%.
Marigny A..
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.