Toekarena

Fanarenana ny toekarenan’i Madagasikara Tsy maintsy mila mpamatsy vola


  • Talata 20 Martsa 2018

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny toekaren’i Madagasikara. Mizotra any amin’ny fitotonganana hatrany ny tarehimarika ary raha izao no mitohy dia hanahirana tanteraka ny hanarina ny toekarena Malagasy.

Ny 80%-n’ny mponina dia mpamboly, ny 94%-n’ny mpiasa dia ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna avokoa, ny tahan’ny fisondrotam-bidim-piainana efa hananika ny 8%, ny fahefa-mividin’ny Malagasy efa ambany dia ambany, ny Ariary tsy mety tafarina, manafosafo hatrany amin’ny 4000 Ar ny 1Euro. Manoloana izany, vahaolana haingana no ilain’ny Malagasy amin’izao krizy misy izao ary efa tena leo resaka ambony latabatra ny maro. Raha jerena ny toe-java-misy ankehitriny dia zavatra 2 lehibe no fepetra tokony horaisina haingana, araka ny hevitry ny mpahay toekarena iray.  Tsy mbola afaka miala amin’ny mpamatsy vola i Madagasikara ka tsy maintsy atao izay ifanarahana tsara amin’izy ireo. Ny fahaverezan’ny fahatokisan’ny mpamatsy vola amin’ny mpitondra Malagasy no mila harenina faran’izay haingana. Rehefa izay dia tokony hitombo ny fanampiana ho fampandrosoana (Aide Publique au Développement) ho  an’i Madagasikara amin’ny maha firenena tena mahantra azy. Eo ihany koa ny fihenan’ireo fepetra apetraky ny mpamatsy vola amintsika raha atokisany ny mpitondra ka ho mora ny fahazoana ny vola (déblocage des fonds). Manaraka izany dia tokony ho hita ny asa mivaingana ataon’ny governemanta miainga amin’ny drafitra nasionaly ho amin’ny fampandrosoana (PND). Atao izany mba ho hitan’ny mpamatsy vola fa tsara tantana ny  fampiasana ny vola azo. Tsy hita amin’ny fitondrana ankehitriny io resaka fanjakana tsara tantana io. Ireo fepetra ireo ihany anefa no mampirisika haingana ny mpamatsy vola  sy ny  mpampiasa vola hametraka ny volany eto kanefa sady mampandroso ihany koa ny fampiasam-bolan’ny Malagasy ary miteraka fampandrosoana haingana.

Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT