Toekarena

Fanarenana ny toekarena Zava-dehibe ny famokarana


  • Zoma 12 Jona 2020

Ny fampiakarana ny famokarana amin’ny alalan’ny fanomezana ny asa isan-tokantrano ka hampitombo ny fanjifana no hanarina haingana ny toekarena eto Madagasikara raha ny nambaran’ny mpahay toekarena iray nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

 

 

 Manan-danja lehibe amin’ny fanantanterahana izany ny fanapahan-kevitra sy ny politikam-panjakana amin’ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana eto amin’ny firenena araka ny fanazavany. Tsikaritra amin’izao fotoana izao ny fihenan’ny elanelana mahakasika ny farim-piainana manerantany mihitsy satria saika sahirana avokoa ny mahantra sy ny manankarena. Midika izany hoy izy fa ny isan-tokantrano mihitsy no voakasiky ny krizy noho ity valan’aretina coronavirus. Rehefa tsy mamokatra ny olana dia mbola hihena hatrany ny fahefa-mividy sy ny fanjifana ary tsy hiodina mihitsy ny vola ka hampikatso tanteraka ny toekarena hoy hatrany ny fanambarana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT