“Tokony jerena ny fanarenana ny toekarena indrindra ny fanampiana ireo orinasa tsy miankina izay fototry ny fampandrosoana.
Ireo no mamoron` asa sy mandoa hetra, izay vola ampiasain` ny fanjakana amin` ny ankapobeny hanodinana ny raharaham-pirenena, handoavana ny karaman` ny mpiasam-panjakana, hanaovana fotodrafitrasa, ankoatra ny avy amin` ireo mpiara-miombon` antoka” hoy Fetra Ralambozafimbololona, mpikambana eo anivon` ny vaomiera misahana ny vola eo anivon` ny Antenimieram-pirenena. Nambarany fa sarety mandeha aloha ny LFR 2020, satria efa lany ity lalàna ity vao nantsoina ny mpandraharaha. Hany ka lasa mitsambiki-mikipy ny fitondram-panjakana. Mampalahelo, hoy izy, fa raha nieritreritra ny teknisianina hoe fanarenana ny toekarena ny atao hoe “amnistie fiscale” dia nandà izany ny fitondram-panjakana. Nahena ho 18% indray ny TVA sy hetra samihafa saingy tsy nanaiky ny fanjakana. Notsipihany hatrany fa tsy azo tsinotsinoavina ny orinasa tsy miankina. Tokony hampidirana amin` ny ara-dalàna ihany koa ireo sehatra tsy ara-dalàna amin`ny fandraisana anjara amin`ny fampidiran-ketra, hoy izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.