Toekarena

Fanarenana ny toekarena Nampaneno lakolosy ny Banky iraisam-pirenena


  • Alarobia 11 Mey 2022

Miandry ireo soso-kevitra avy amin’ny Malagasy mba hahafahana manarina haingana ny toekarena ny Banky iraisam-pirenena, izay eo anilan’i Madagasikara hatrany amin’ny resaka asa fampandrosoana.

Nisongadina io omaly nandritra ny fihaonana teny amin’ny Novotel – Alarobia, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy minisitra maromaro avy ao amin’ny governemanta.Voaresaka fa nisy akony ratsy tamin’ny toekaren’ny firenena ny valanaretina Covid 19, mbola nampidi-doza ihany koa ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy ary tsy azo odian-tsy hita ny fiantraikan’ny ady any Ukraine.Etsy ankilan’izay anefa notsipihin-dramatoa Marie Chantal, solotena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara fa antony mampihisatra ny fampandrosoana ihany koa ny tsy fahampiana seha-pihariana sy famokarana, ny tsy fahampian’ny olona miasa ary ny tsy fahampian’ny fiovam-penitra mankany amin’ny tsara kokoa. Fotoana hirosoana sy hanovana izany rehetra izany ankehitriny, hoy izy ary vonona ny hanohana an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena. Fampitomboana ny harinkarena mba hisy akony any amin’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’olom-bitsy no tanjona, hoy hatrany Ramatoa Marie Chantal. Tsy tongatonga ho azy izay sintona lakolosy sy fanambarana izany satria manana antontan’isa mazava tsara momba ny tena zava-misy marina eto Maadagasikara rahha izany Banky iraisam-pirenena izany ary mahafantatra tsara fa mitombo isa be ny Malagasy sahirana.
SOSO-KEVITRA HAFA
Rehefa alalinina ity fihaonana omaly ity dia toa te hilaza izany ny banky iraisam-pirenena hoe : omeo soso-kevitra hafa ho amin’ny fanarenana ny toekarena izahay, izany hoe mbola tsy izy izany aloha ilay resaka IEM lasa PEM. Rehefa nojerena ireo minisitra anisan’ny nanatrika ny fihaonana dia singanina ohatra ny minisitry ny vola, ny angovo, ny atitany, ny fambolena…izany hoe ireo departemanta tena saropady sy mila miasa mafy satria fototra iaingan’ny fampandrosoana.Mibaribary ihany koa ny raharaha eto fa matoa nisintona lakolosy ny mpamatsy vola dia mety matoritory na variana amin’ny zavatra hafa izany ny fitondram-panjakana ; izay tokony lohalaharana nampiantso fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka raha tena nieritreritra tokoa ny hametraka haingana drafi-panarenana ny toekarena.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT