Toekarena

Fanarenana ny toekarena Mihazakazaka ny firenena manankarena


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Tsy misy resabe fa asa avy hatrany no tanterahin’ireo firenena manankarena voakasiky ny aretina coronavirus. Sina,

 

 

Etazonia ary ireo firenena Eoropeana dia miezaka mandeha mafy na dia mbola mitoetra aza ny aretina. Raha ny any Frantsa manokana dia 7 miliara Euros no nomen’ny fitondram-panjakana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air France mba ahafahana manohy ny asa sy ho fitazonana ireo asa mivantana sy tsy mivantana miisa 350 000. 5 miliara Euros kosa no homena ny Orinasa mpanamboatra fiara Renault mba ahafahana mifaninana indray eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tahaka ny eto Madagasikara dia maro be ireo orinasa nekena amin’ny fanemorana ny hetra sy ny latsakemboka samihafa. Antenaina fa handray andraikitra mafy ihany koa ny fitondram-panjakana eto amin’ny firenena manoloana ireo olana maro sedrain’ny orinasa sy ny fahaverezan’asa misy.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT