Toekarena

Fanarenana ny toekarena Hojerena manokana ireo mpandraharaha


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Firenena tsara tantana ny tanjona ary hangarahara ny fitantanana ny volam-bahoaka hoy ny filoham-pirenena nandritra ny tatitra tamin’ny vahoaka Malagasy omaly.

 

 Nandritra ny 10 andro nandinihana ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana LFR 2020 dia nojerena tsirairay mihitsy ny ministera mba tsy hisian’ny gaboraraka ary hiantraika mivantana amin’ny vahoaka izany. Tsy maintsy hisy ny fihaonana manokana amin’ny mpandraharaha ary ho fitsinjovana azy ireo manokana dia hapetraka sy hampiroboroboina ny Indostria Malagasy ka ezahina hovokarina sy hamboarina eto Madagasikara avokoa ireo vokatra tena ilaina tahaka ny simenitra sy ny siramamy.

Fampindramam-bola

Mahakasika ny Orinasa Madinika sy Salantsalany dia mitentina 40 tapitrisa dolara ny fanampiana azy ireo. Io dia vola apetraka eo anivon’ny Banky Foibe hanaovana fampindramam-bola madinika amin’ny tahany ambany mba ho tohana azy ireo hoy ny Filoha. Ankoatr’izay dia hisy hatrany ny fijerena ireo orinasa tena ilaina ka halefahana ny hetra. Mahakasika ireo mpandraharaha amin’ny taotrano sy ny asa vaventy kosa dia nanambara ny filoham-pirenena fa hisy ny fihaonana amin’ny herinandro ambony ary hapetraka ireo paikady fanorenana sy fanarenana eto amin’ny firenena. 1043 miliara ariary be izao mantsy no tetibola anatin’ny LFR hanaovana asa maro be toy ny Oniversite, biraom-panjakana, hopitaly, trano, ary fanamboaran-dalana. Hiteraka asa maro be izany eo anivon’ireo distrika maro samihafa ary hangarahara sy ho lavitry ny kolikoly ny tolo-bidy. Tsy hivangongo aty amin’ny fitondrana foibe ny zava-drehetra fa alefa any amin’ny distrika ny famoahana ireo tolo-bidy sy ny fitaovana, samy mihetsika ny isam-paritra dia ho hita eo hoe iza no mahavita.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT