Toekarena

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy


  • Talata 07 Aprily 2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

 

 

 Tsy misy fihariana azo antenaina intsony eto raha tsy mamelona ireo orinasa rehetra mikatso amin’izao fotoana izao ireo ny fitondram-panjakana. Nanambara ny mpahay sady mpampianatra toekarena, Hugues Rajaonson fa tsy ampy ny fepetra fanemorana ny fandoavan-ketra fa tokony tsy handoa hetra mandritra ny fotoana lava mihitsy ireo orinasa Malagasy nikatona na nanena ny famokarana ataony. Tsy mety ny mitaky hetra anatin’ny fohy ezaka fa any amin’ny 2 na 3 taona any mihitsy vao tokony hanatanteraka izany ny fanjakana hoy ny fanambarana. Tsy azon’ny fanjakana atao mihitsy ihany koa ny mampiakatra ny hetra takiana amin’izay fotoana izay na dia mila vola aza ny firenena. Izao tsy fahafahan’ny orinasa miasa izao amin’ny tokony ho izy izao mantsy dia hiteraka trosa ho azy aoriana ao. Hatsaraina ny fomba fiasa hanaingana haingana ny toekarena Mila jerena amin’izay ny fomba fiasa sy ny tetikady rehetra amin’ity tapa-bolana faharoa amin’ny fihibohana an-trano ity indrindra ho an’ireo orinasa madinika izay maro be eto Madagasikara. Ilaina ny fanampiana ny sehatra tsy miankina ary tokony omena renivola mihitsy izy ireo hoy hatrany ny nambaran’i Hugues Rajaonson. Mila velomina faran’izay haingana ireo orinasa madinika mba tsy hitombo intsony ny olona tsy an’asa. Ireo mpanao politika dia tokony mba tsy handray karama intsony manomboka izao satria manana ny fivelomany hafa ampy azy ny ankamaroan’izy ireo araka ny fanambarana ihany. Tsikaritra ihany koa hoy izy fa misy orinasa madinika maro tokony afaka mihodina ihany saingy noho ny tsy fisian’ny « service minimum » eny anivon’ny ministera maro dia tsy afa-manoatra izy ireny ka mila jerena ny mahakasika izany. Ankoatr’izany rehetra izany dia politikam-pihariam-pirenena vaovao mihitsy no tsara apetraka eto Madagasikara izay mamela malalaka ny Malagasy rehetra mamokatra. Tokony hanana ny hambom-pony amin’izay ny Malagasy indrindra amin’izao fisian’ny aretina izao satria na ireo firenena mpibaiko an’i Madagasikara dia hita ho tsy mahavita n’inona n’inona akory fa samy variana manavotra ny ainy sy miaro ny rambony tsy ho tapaka fotsiny. Fotoana izao hametrahana ny maha-izy azy ny firenena Malagasy na amin’ny firaisan-kina na amin’ny fahaiza-manarina sy miarina, hoy i Hugues Rajaonson.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT