Toekarena

Fanarenana ny tanànan’Antalaha Olona 350 nahazo tombontsoa


  • Zoma 14 Jolay 2017

An-jatony ny asa noforonina vonjimaika mba ho fanarenana ny tanànan’Antalaha, izay rotiky ny rivodoza Enawo tany an-toerana ny 8 martsa 2017.

 Nahazo tombontsoa mivantana ny olona miisa 350 lahy sy vavy izay eo anelanelan’ny 27 ka hatramin’ny 60 taona. Nanao asa takalo vola izy ireo, ka niasa nanadio ny morontsiraka sy nanala ireo poti-javatra sy fako manodidina ny 170 000 taonina nandritra ny 32 andro nanomboka ny 29 mey 2017. Nosandaina  5. 000Ariary isan’andro isan’olona ny fanatanterahana ny asa, izay teo ambany fiahian’ny tetikasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny kaominina Ambonivohitr’i Antalaha. Ahafahan’ireo fianakaviana sahirana mividy ny filany andavanandro ny vola azony tamin’ity asa takalo vola ity, ary indrindra ahafahany mampiroborobo ny asa fivelomany. Notsongaina manokana ireo fianakaviana, indrindra ireo renim-pianakaviana manan-janaka latsaky ny 5 taona, ireo manana fahasembanana, ireo rava trano sy fananana nandritra ny rivo-doza. Sady nahazo asa ny olona no nandray vola teto ary ny nadio sy niverina amin’ny laoniny ihany koa ny tanàna rotiky ny rivodoza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT