Niforona tamin’ny taona 1973 ny orinasa SINPA ary nikatona ny 2001. Orinasa telo no nakamban’ny fanjakana dia ny BCSR, ny CEAMP ary ny “Syndicat Des Communes”.
Nikarakara ny vary, ny akotry, ny ampombo, ny fivarotana vary, nitsinjara ny vary nohafarana satria tamin’ny taona 1975 dia noheverin’ny fanjakana fa tsy ampy ny vary teto Madagasikara ka nomena ny SINPA ny fitsinjarana azy manerana ny nosy. Teny Tsimbazaza ny foiben’ny SINPA ary 22 ny masoivoho nanerana ny nosy. Nahatratra 3300 ny mpiasa tany am-boalohany, 800 ny taona 1984 ary 400 sisa ny taona 2001, fotoana nikatonany. Ankehitriny dia 200 amin’izy ireo no mbola velon’aina ka nivondrona ao anatin’ny “fikambanan’ny mpiasan’ny SINPA”, anisan’izany ny tale jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul, ka niara-nifaly teny amin’ny Complexe CNaPS Vontovorona izy ireo ny sabotsy 20 mey 2017 lasa teo. Ilaina ny hambompom-pirenena amin’ny fitantanana ireny orinasam-panjakana ireny, hoy io tompon’andraikitra io. Mandalo fahasarotana ny fitantanana ny vidim-bary amin’izao fotoana izao koa aminy dia manana anjara toerana lehibe ny orinasam-panjakana toy ny SINPA. Tsy io ihany fa ny orinasam-panjakana maro izay mandia fahasahiranana amin’izao fotoana izao toy ny JIRAMA, ny Air Madagascar…dia tokony hoheverintsika samy Malagasy ny hanarina azy ireny, ka mila maka lesona amin’ny zava-misy teo aloha, ary miara-mibanjina ny ho avy isika rehetra, hoy ny tale jeneralin’ny CNaPS.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.