Toekarena

Fanarenana ny JIRAMA Efa mba misy paikady mazava tsara ve ?


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Faritra maro teto Madagasikara no niaina tao anaty haizina taorian’ ny fetin’ ny faran’ ny taona. Ora maro ho an’ ny sasany, andro kosa ho an’ ny hafa.

 

Tsy mahafa-po ny tolotra, raha ny fimenomenon’ny mpanjifa isan’ andro amin’ ny delestazy sy ny fahatapatapana teknika izay tsy vitan’ ny mitondra haizina fa manimba fitaovana ihany koa. Tsara tsiahivina hatrany fa interaka olana ara-toekarena ny fahapatapahn-jiro nifanesy ny taona 2014-2015, hany ka nampihena ny famokarana teto amintsika. Ka raha hiverina amin’ izany isika dia ahiana hampikatso ny famokarana indostrialy. Na ireo orinasa mandinika aza dia ho voatohitohina toy ny taovolo, ny fanodianana akora… Ny rano koa mifanaraka amin’ny herinaratra ihany, satria orinasa iray no mpamatsy ireo, orinasa tantanin’ ny fanjakana. Anatin’ ny tsy fahampian-drano ny toerana maro manerana ny nosy. Vao mangiran-dratsy dia efa milahatra eny amin’ ireo paompin-drano iombonana ireo « bidons jaunes » mifampitaingitaingina ary milahatra lavabe. Sady rano fisotro no fidiovana ary fanadiovana. Etsy ankilany, manampy trotraka ny fanafoanana tanteraka ny fanampiana ny JIRAMA ho amin’ ity taona ity kanefa manantena fitomboan’ny harinkarena ho 5,5% ny governemanta. Raha tsiahivina, nanaisotra mpitantanana tao anivon’ ny orinasa JIRAMA sy ministera ny fitondram-panjakana ka nanolo olona. Tsy nahavaha ny olan’ ny herinaratra sy ny rano izany, ireo anefa no iankinan’ ny fihariana sy ny aina anefa ireo singa ireo.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT