Toekarena

Fanarenana ara-toekarena Tsy mampiraika firy ny Fanjakana


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Manana drafitra mazava hivoahana tao anatin’ny krizin’ny coronavirus na “plan de relance”

 

 

 

ny ankamaroan’ny firenena maneran-tany, saingy tsy tahaka izany ny eto Madagasikara. Ny resaka fotodrafitrasa no nambara fa hanokanana 1043 miliara ariary tamin’ilay antsoina hoe “Plan Marshall”. Iny nambaran’ny depiote mpanohitra ny sabotsy 06 martsa teo iny anefa, fa ny Minisitry ny toekarena sy ny vola aza tsy nanana valin-teny mazava hoe nanao ahoana sy aiza marina ny tohin’io? Andrasana izay fanazavana avy amin’ny Fitondram-panjakana teo anatrehan’ny kiana mivavay. Nofaritan’ny Fanjakana fa 4,5% ny taham-piakaran’ny harin-karena amin’ity taona ity ao anatin’ny tetibolam-panjakana? 2% kosa ny vinan’ny Banky iraisam-pirenena, raha milamina ny toe-draharaha eto. Ny volana desambra 2020, nilaza ny Banky irasam-pirenena, fa niampy 1, 4 tapitrisa ny Malagasy fadiranovana miaina amin’ny 1, 9 dôlara na manodidina ny 7 000 Ariary isan’andro. Very fidiram-bola ny 64% tokatrano tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny 2020. Mfandraika amin’ny zava-misy ve ny zavatra ataon’ny fanjakana. Ny Vondron’ny orinasa, ohatra, ny herinandro lasa teo dia naneho fa 40% no mbola tsy tafarina sy tsy tafahodina, ary mbola niantso fanohanana. Ny seha-pamokarana tsy misy tohana, kanefa mailaka ny fanjakana mamorona hetra ahazoam-bola amin’ireny sehatra maro samihafa ireny.

LAHARAM-PAHAMEHANA HAFAHAFA

Hafahafa ny laharam-pahamehana eto. Nisy fiakarany 150,8% ny tetibola Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, izay 71, 654 miliara Ar tamin’ny LFI 2020, lasa 159,863 miliara ao anatin’ny LFI 2021, raha ny fanamarihan’ny Hetsika Rohy ny novambra 2020. Niakatra ho 128,9 miliara Ar ny fampiasam-bola anatiny. 118,9 miliara Ar no voalaza fa hatokana hampiroboroboana ny fanatanjahantena avo lenta. Tsy hoe tsy ilaina ireny fa hampihena ny vidim-piainana, hiteraka asa ho an’ny tanora, hampihena ny sandam-bola ve? Rehefa kianina amin’izany ve dia hoe korontanina ny Fanjakana? Tsy misy sori-dàlana mazava sy mafonja ny fitantanana ny firenena, fa miaina amin’ny kisehoseho sy izay maharevorevo ny mpitondra. Tsy misy antenaina firy, ary tsy hita taratra amin’ny fihetsiky ny fanjakana ny hiaiky fa misy ny lesoka.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT