Toekarena

Fanarenana ara-toekarena Nosoloin’ny Fanjakana rendrarendra


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Adinon’ny Fanjakana sy nodiany tsy hita ny tohana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana,

 

 

izay isan’ny ain’ny toekarena eto Madagasikara, ary no tena ahafahana manarina ny toekarena na “relance économique”. Nodakana ireo mpandraharaha tamin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2021 izay efa nolanian’ny depiote mpomba ny Fitondrana ny takarivan’ny 27 novambra teo. Mirona kokoa amin’ny sehatr’asa fahatelo amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa ny Fanjakana, ary nohamaivanina kosa ny seha-pamokarana voalohany sy faharoa. Isan’izany ny tontolon’ny fambolena, ny fandraharahana sy ny famoron’asa, izay tena lasibatra tao anatin’ny krizin’ny coronavirus. Ilaina ny fotodrafitrasa fa sao dia mba ampifandrindrana aminy ny fijerena ny sehatra hafa? Efa nisy rahatreo ny “Plan Marshall” 1043 miliara ariary aompana betsaka amin’ny fotodrafitrasa noresahan’ny filoha ny 14 jona. Hatreto mantsy, orinasa sy mpandraharaha maro no mbola tsy tafarina vokatry ny covid-19, maro nikatona, maro ny nanala mpiasa tamin’ny ampahany, misy ny nampihena ny karaman’ny mpiasa hatrany amin’ny 50%,… Mamelona olona sy fianakaviana maro ny orinasa, ankoatra ny anjara toerany ara-toekarena, saingy toa adino sy atao ambanin-javatra. Hisy fiatraikany ara-toekerana ve ohatra ny nampiakarana 150,8%, ohatra ny tetibola Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena? 71, 654 miliara Ar tamin’ny LFI 2020, lasa 159,863 miliara ao anatin’ny LFI 2021, izany hoe nisy fiakarany 88,209 miliara be izao. Niakatra ho 128,9 miliara Ar ny fampiasam-bola anatiny. 118,9 miliara Ar no voalaza fa hatokana hampiroboroboana ny fanatanjahantena avo lenta. Tena izany ve no fampandrosoana ilain’ny firenena amin’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao. Fananganana kianja sy dobo filomanosana any Ambovombe Androy ve ohatra no tena maika laharam-pahamehana eto? Hahafahana miala amin’ny harin-karena faobe -3,8% hiakatra 4,5% araka ny tanjona amin’ny 2021 ny laharam-pahamehana hafahafa apetraky ny Fanjakana ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT