Nisy ny fivoriambe tamin` ny alalan` ny aterneto nokarakarain'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny ho an'ny ezaka fampandrosoana ara-toekarena sy ara-barotra an'i Madagasikara ireo mpanolo-tsaina ara-toekarena miasa eny anivon'ny masoivohon'i Madagasikara sy Consulats maneran-tany.
Nomen'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Tehindrazanarivelo Djacoba A. S. Oliva toromarika izy ireo hikolo ny fifandraisana eo amin'ny sehatra ara-toekarena amin'ny any ivelany sy hikarakara fivoriana fampahafantarana momba ny fandraharahana aty Madagasikara. Nomena azy ireo koa ny andraikitra ny amin'ny fanapariahana ny lazan'i Madagasikara eo amin'ny sehatra ara-barotra sy ara-pizahantany. Ireo teknisianina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ireo no anisan'ny handray anjara lehibe amin'ny fanarenana ny toekaren'i Madagasikara aorian'ny krizy vokatry ny valan'aretina Coronavirus. Manana andraikitra lehibe ireo masoivohon'i Madagasikara sy ny Consulats amin'ny maha solontenan'i Madagasikara azy ireo any amin'ireo firenena samihafa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.