Fanaraha-maso ny volam-panjakana

Nomen’ny Amerikanina solosaina 48 ny Fitsarana ara-bola


  • Zoma 22 Septambra 2023

Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny

governemanta Amerikanina amin’ny alalan’ny amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) solosaina miisa 48 ho an’ireo biraon’ny Fitsarana Ara-Bola eto Madagasikara. Ireo teknolojia vaovao natolotra ireo dia hanamafy ny fahafahan’ireo Fitsarana Ara-Bola hanatsara ny mangarahara, ny tamberin'andraikitra ary ny fahombiazan'ny fitantanam-bolam-panjakana, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ity no fampitaovana fanindroany nataon’ny tetikasa USAID TANTANA izay mikendry ny hanatsara ny fitantanana ny Fitsarana Ara-Bola amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (TIC). Tamin'ny taona 2021dia efa nanolotra solosaina ho an'ny Fitsarana momba ny Kaonty ny tetikasa nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny firenena. « Mijoro hatrany ny USAID amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ireo andrim-panjakana mba hahomby sy azo ianteherana ary ho an’ny rehetra », hoy i Anne Williams, Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara. “…Mino izahay fa ny fampitaovana ireo biraon’ny Fitsarana Ara-Bola dia hampahomby kokoa ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, hahasoa ny olompirenena malagasy, ary hanamafy ireo ezaka rehetra efa natao mba hahalavorary ny fitsinjaram-pahefana.", hoy izy. Ny USAID TANTANA dia manohana ny fanofanana momba ny fitantanana, ny ady amin'ny kolikoly ary ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola ho an'ny tompon'andraiki-panjakana miisa 160, anisan’izany ireo mpiasan'ny Fitsarana Ara-Bola. Ity fomba fiaraha-miasa ity dia hanatsara ny fahaiza-manaon'ireo andrim-panjakana manara-maso ny fitantanam-bola eto Madagasikara, ka hanangana fototra matanjaka kokoa ho an'ny fitantanana tetibola sy ny fitantanana ifotony, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT