Toekarena

Fanapotehana ny AAA-Tiko Natao “soudure” ny vavahady rehetra


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Raha fandeferana sy vahaolana no nandrasana tamin’ny fanjakana manoloana ny raharaha AAA-Tiko, dia vao mainka ny nifanohitra tamin’izany no setriny omaly.

Fihantsiana sy fanamparam-pahefana no nataon’ny fanjakana HVM, ka tsy nampihetsi-bolomaso ny azy ireo akory ny fisian’ny fahafatesan’ny omby tao an-toerana. Nanamafy ny fanidiana tanteraka ny orinasa indray mantsy ny fitondram-panjakana ao Antsirabe ny Alarobia 7 marsa 2018 teo. Nidina vao maraim-be tany an-toerana ny vadin-tany niaraka tamin’ny fitaovana fanaovana “soudure”, ka nametraka takelaka mamaritra ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera laharana 24.392/2017 ny  4 oktobra 2017. Antony raha ny fanazavana nomen’ny vadin-tany, Maitre Lisiharilala dia baikon’ny Prefen’Antsirabe no naniraka azy ireo fanindiminy, hanamafy hatrany ny fanidiana efa natao teo aloha, izay natao tamin’ny taratasy moa izany. Varavarana 16 tamin’ireo nohidiana 22 moa no azo nopetahana ilay “soudure”, satria ny hafa dia hazo sy alimo ka mety hiteraka fahasimbana na mirehitra. Taorian’io dia nanamarina ny fisian’ilay omby maty ny vadin-tany dia niroso tamin’ny fandorana izany ny tompon’andraikitry ny toeram-piompiana satria efa nanomboka ho maimbo ilay fatin’omby. Tokony nisy ihany koa ny fitsarana ady maika momba ny tokony hamahana haingana ny vavahady hahafaha-mikarakara ireo omby, saingy rahampitso zoma indray izany noho ny tsy maha tao an-toerana ny Prefen’Antsirabe. Miha reraka hatrany anefa ireo omby, ka tsy hay na hisy ho faty na ahoana? Etsy andaniny, dia mandeha ny fihazana ireo vokatry ny AAA-Tiko sisa tavela eny amin’ny mpivarotra amin’izao fotoana izao.

Toky R sy Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT