Fanapahan-kevitra momba ny harena an-kibon’ny tany

Nihazakazahana vao vantany nisokatra ny sidina Dubaï-Tana…


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Nolanian'ny tamin’ny alalan’ny Filankevitry ny Minisitra omaly 04 septambra 2024 ny didim-panjakana

mametraka sy mamaritra ireo sata mifehy ny BGGLM (Bureau de la Géologie, de la Gemmologie et Laboratoire des Mines). Io BGGLM no nambara fa hisahana ny "gemmologie", ireo fanadihadiana ara-jeolojika sy ny fampiroboroboana ny harena an-kibon'ny tany ary ny fanomezana fanamarinana ireo vokatra harena an-kibon'ny tany izay nosahanin'ny L2M (Laboratoire des Mines de Madagascar) sy ny BGGM (Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar") teo aloha. Anisan'ny fanavaozana entin'ity didim-panjakana ity ny fanitarana ireo andraikitry ny BGGLM toy ny fanomezana fampiofanana momba ny "gemmologie" sy ny fanolorana tolotra fitiliana ho an'ireo indostria mpitrandraka, raha ny filazan’ny Fanjakana hatrany. Tsara anefa ny manamarika, fa ity fitondrana ity no nanafoana ny IGM (Institut de Gemmologie de Madagascar) ny aprily 2021. Mifanindran-dàlana sy mifameno amin’io, nolaniana ihany koa ny didim-panjakana mamaritra ireo sata mifehy ny Komitim-pirenena momba ny harena an-kibon'ny tany (CNM). Natsangana ny CNM izay sampan-draharaha misahana ny fifanakalozan- kevitra, ny fanamorana, ny fifampidinihana ary ny fampihavanana araka ny andininy faha-404 amin'ny lalàna laharana 2023-007 tamin'ny 27 jolay 2023 momba ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon'ny tany (code minier), hoy hatrany ny Fanjakana. Ity didim-panjakana ity ihany koa dia manitsy ny fandaminana azy ho Sampan-draharaham-panjakana manana sokajy ara-toekarena (Etablissement Publics à caractère Administratif à vocation économique), raha ny tatitra. Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ny ampitson’ny nisokafan’ny sidina mampifandray an’Antananarivo sy Dubaï no nihazakazahana ireto fanapahan-kevitra momba ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ireto. Ny arabo izay hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, voalaza tany aloha fa hamatsy vola ny « raffinerie d’or » hatsangan’ny Fanjakana, ny Fanjakana mikasa hanondrana volamena 15 taonina isan-taona,… Ny volamenantsika izay any Dubaï no tena andehanan’ny trafika raha ny antontanisan’ny Département des Affaires économiques eo anivon’ny Firenena Mikambana izay namoaka an’ilay 6,8 taonina ny volamena niondrana antsokosoko teo anelanelan’ny 2018-2023, ka 2,490 taonina ny 2021, teo amin’ny 515kg ny 2022,…
Toky R
Légende : Ankoatra ny sinoa izay anisan’ny mandavaka hirika maro hitrandrahana harena eto dia ho avy ihany koa ny arabo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT