Toekarena

Fanangonana ny vokatra anaty rano Tsy maintsy havaozina ny karatra


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Namoaka fampandrenesana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary jono

 

 

 (MAEP) omaly 25 novambra, fa hanomboka ny 15 desambra 2020 ho avy izao ary hifarana ny 31 martsa 2021 ny fanomezana ny karatra maha mpanangom-bokatra an-dranomasina sy an-ranomamy rehetra. Mba ho fanajana sy fampiharana ny didim-panjakana 00.048/2008 tamin’ny 07 janoary 2008, ao amin’ny adininy faha-2 ny fanaovazana ny karatra maha manangom-bokatra ka ho an’ny 2021 io atao io. Eny amin’ny Birao laharana 21 eo anivon’ny Direction Générale de la Pêche et Aquaculture na ny Fitantanana ankampoben’ny ny jono sy ny harena an-dranomasina eny Ampandrianomby Antananarivo no hanaovana izany, miaraka amin’ny fampisehoana ireo antontan-taratasy ilaina: taratasy fanapahana mikasika ny fahazoan-dàlana hanangom-bokatra ary manan-kery, karatra fanangonam-bokatra 2020 tena izy sy dika mitovy, taratasy fanambarana fahaverezan’ny karatra izay tsy maintsy mandalo amin’ny sampan-draharahan’ny faritra misahana ny jono sy ny fiompiana anaty rano, raha very, tapakila maitso ao amin’ny karine fandefasana ny vokatra mba ho fanamarinana ny fandefasana isam-bolana ny “Visa de comformité” any amin’ny Minisitera,… Ny karatra fanangonam-bokatra 2020 dia hitsahatra tsy hanan-kery manomboka ny 01 janoary 2021.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT