Toekarena

Fananana renivola Mila mifanampy ny Malagasy


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Olana ny fananana renivola ampiasaina eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny fahambonian’ny zana-bola, 16 hatramin’ny 18% amin’ireny banky ireny ka tsy mamparisika ny Malagasy.

Ny fananana renivola anefa no antoky ny fampihodinam-bola izay miteraka harena avy eo. Raha tsy hiditra Banky aloha izany dia mila fifanampiana amin’ny samy Malagasy tahaka ny ataon’ny sinoa sy ny karana eto amintsika. Mifaninana izy ireo saingy kosa mifamelona amin’ny zavatra izay trandrahany. Hita ihany koa aloha fa misy ny fandinihana manokana ataon’izy ireo ny amin’ny filan’ny Malagasy matoa izy sahy mampiasa vola hatrany. Hany ka mandeha hatrany ny varotra sy ny famokarana ataon’izy ireo ary matetika aza dia mamono ny tsenantsika mihitsy izany. Tokony hohamoraina tanteraka ny fomba ahafahana mahazo vola amin’ny Banky eto amintsika. Ny fifanampiana samy Malagasy koa no ahafahana mametraka tsara ny tsena manoloana ireo sinoa sy karana ireo.

Tsiry   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT