Toekarena

Fanampiana tosika ny sehatra fanondranana 500 tapitrisa euros no homen’ny vondrona eoropeanina


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Omaly zoma 11 mey no natao tetsy amin’ny hotely Carlton ny latabatra boribory ara-toekarena andiany fahefatra iarahan’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina.

Nandray anjara tamin’izany ny sehatra tsy miankina, ny minisiteran’ny toekarena sy ny varotra ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Tanjona ny hijerena ny olana ara-toekarena eto Madagasikara ary mazava ny vahaolana mifandraika aminy. Noresahana tao, ohatra, ny momba ny fanatsarana ny raharaham-barotra izay tena mbola ambany ho an’ny mpandraharaha Malagasy. Eo ihany koa ny fitazonana hatrany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Efa voafaritra ao anatin’ilay fifanarahana hamorana ny fiveziven’ny entana (APE) avokoa izany. Tahaka ny mahazatra, misy hatrany ny fifanarahana nosoniavina ary miompana amin’ny fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena (APE). Famatsiam-bola hatrany amin’ny 500 tapitrisa Euros na 1 905 000 000 000 Ariary (1 Euro=3810Ar) indray no ho azo ary tokony hiteraka tombony ara-barotra miabo ho an’i Madagasikara satria hoentina hanatsarana ny sehatra  fanondranana. Hisy ihany koa ny fananganana ny Guichet Unique Export sy ny APEX  (Agence de Promotion des Exportations) izay apetraka amin’ny alalan’ny famatsiam-bola amin’ny vondrona eoropeanina hoentina hampiainga hatrany ny sehatra fanondranana. Natao izao hanampiana ireo orinasa sy mpandraharaha mpanondrana entana indrindra indrindra.  Eo ihany koa ny fitadiavana lalam-barotra amin’ny tsenan’ny firenena samy afrikanina tahaka ny SADC sy COMESA.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT