Toekarena

Fanampiana ny tanora handraharaha Ho avy ny « Prix Pierre Castel » andiany manaraka


  • Alarobia 03 Mey 2023

Ny asa fandraharahana ihany no anisan’ny lalan-tokana hahafahana mivoaka amin’ny fahantrana.

Raha mahatsangana orinasa iray mantsy ny tanora iray dia tsy voatery hiandry asam-panjakana sy hiasa amin’ny tsy miankina izy no sady afaka hanome asa ireo olona marobe manodidina azy ihany koa. Izany indrindra no nanosika ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Fonds Pierre Castel andiany faharoa nandalo teto amintsika nanomboka ny 18 aprily lasa teo. Anton-dian’izy ireo tamin’izany ny nanokatra sy nisantatra ilay fiaraha-miasa “Systèmes alimentaires et Entrepreneuriat en Afrique’’ amin’ny alalan’ny lalam-piofanana eo anivon’ny sekoly ambony , Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques ESSA ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nandritra izany no nanambaran’Aroa Pierre de Gaetan Njikam, tale jeneralin’ity tetikasa ity sy Madama Eva Tournaire, lehiben’ny tetikasa – Chaire Système Alimentaires et Entrepreneuriat en Afrique, fa efa an-dalana indray ny andiany vaovao momba ny Prix Pierre Castel. Tanjon’ izy ireo ny hanampiana ireo tanora malagasy handraharaha mifanaraka amin’ny filan’izy ireo hahafahana mampandroso ny firenena. Ho afaka hanao fianaran’asa ao amin’ny orinasa Star ireo tanora tena vonona amin’izany sy manana traikefa. Narahina fizarana traikefa teo amin’ny roa tonta izany. Mikasika ny fifaninana Prix Pierre Castel tamin’ity taona ity dia marobe ireo mpitsara nanotrona izany toy ny avy amin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara, ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana…

Pati

Legende : Nandritra ny fandalovan’ireo ekipa avy amin’ny Fonds Pierre Castel


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT