Toekarena

Fanampiana ny sehatra tsy miankina Tsy azo oharina amin’ny any ivelany ny eto…


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Nanambara ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato fa tsy ho vitan’ny fitondram-panjakana mihitsy ny hanome famatsiam-bola betsaka ny sehatra tsy miankina tahaka ny zava-misy any ivelany indrindra ny any amin’ireo tany manankarena.

 

 Efa misy lalany avokoa hoy izy ny fanampiana rehetra azo fa tsy voatery atotona ho fanohanana ny sehatra tsy miankina avokoa. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Antenimieran-doholona omaly dia niaiky ihany koa ny tenany fa ny fizarana ny vatsy tsinjo sy ny vatsin’ankohonana aza efa tena manahirana. Nambara mazava araka izany fa sahirana ny fanjakana eo amin’ny fanaingana ny toekarena ary toa te hilaza ankolaka fa tsy hahavita hanohana ny sehatra tsy miankina amin’ny tokony ho izy. Vao tsy ela akory anefa dia nitaky ny mangarahara ny sehatra tsy miankina tamin’ny alalan’ny famoahan’ny Vondron’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) tamin’ny fomba ofisialy ny antotan-kevitra mirakitra ny vokatry ny valan’aretina coronavirus amin’ny sehatra ara-toekarena ary nanome vahaolana mifandraika amin’izany. Ambentin-tenin’izy ireo ihany koa ny filazana fa izy ireo no mandoa hetra be tamin’ny fanjakana ary mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny lafiny ara-toekarena.77% amin’ny hetra alain’ny fanjakana dia avy amin’ireo orinasa tsy miankina mivondrona ao amin’ny GEM ary manome 42% amin’ny vola miodona eto amin’ny firenena izy ireo. Tsiahivina ihany koa fa efa nisy ny vola be mitentina 166 tapitrisa dolara nomen’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena hiatrehana ny valan’aretina sy ny hanohanana ny sehatra tsy miankina. Mbola mitaky ny mangarahara mikasika izany ihany koa izy ireo ary efa nilaza fa hatreto dia tsy hita mazava mihitsy ny momba izany. Andrasana indray araka izany ny ho tohiny sy ny mbola fanehoan-kevitra avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’izao fanambaran’ny minisitra izao.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT