Toekarena

Fanampiana ny orinasa madinika sy salantsalany Ilàna vola hatrany amin’ny 35 tapitrisa dolara


  • Talata 14 Mey 2019

Tombanana hatrany amin’ny 125 miliara Ariary ny vola ilaina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), hoy ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana, Ramatoa Lantosoa Rakotomalala.

 

 Nandritra ny atrikasa fankatoavana ny fandaharan’asa ho fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara omaly alatsinainy 13 mey tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano dia nambarany fa ny 40%-n’io vola io no efa hita soritra. Ny ambiny dia mbola hitadiavana mpamatsy vola. Izay koa no antony nanatanterahana ny atrikasa satria ny fananana ny antontan-kevitra no ahafahana mahazo famatsiam-bola sy ahazoana mandrindra ireo tetikasa maro samihafa entina hanohanana sy hanaingana ny sehatra indostria eto Madagasikara. Hojerena daholo ireo sehatra rehetra, indrindra ireo sehatr’asa vaovao (secteurs emergents) ahafahana mampandroso ny PME. Nihaona tamin’ity atrikasa ity ireo sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo minisitera tompon’andraikitra tahaka ny ao amin’ny indostria sy ny varotra, ny angovo, ny fanofanana arak’asa. Harindra mandritra ny 5 taona ity antontan-kevitra ity ary hita mbola maro moa ny hetahetan’ireo sehatra tsy miankina tsy tafiditra ao ka mbola hojeren’ny minisitera akaiky. Ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) moa no efa manohana sahady izao fampiroboroboana ny PME izao. Izy ireo ihany koa no miara-mandinika amin’ny minisitera ny laharam-pahamehana tokony hatao, indrindra ny amin’ireo sehatra tsy miankina ireo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT