Hanamorana ny fisitrahana findramam-bola ny antony nametrahana ny Birao manelanelana ny banky sy ny mpindram-bola (BIC) eto Madagasikara.
Eo ihany koa ny fanampiana ny banky amin’ny fampahafantarana ireo mpanjifa izay mikasa hindram-bola ao aminy ka hizotra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny filaminana. Omaly no nambaran’ny Banky Foiben’I Madagasikara (BFM) sy ny eo anivon’ny CRIF Madagascar tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fampahafantarana ny fisian’ny BIC voalohany miasa eto amin’ny firenena. Nanambara ny Governoran’ny BFM, Atoa Henri Rabarijohn fa sarotra amin’ny banky sy ny orinasa mpampindram-bola madinika (microfinance) na ireo mpandraharaha amin’ny sehatra fampindramam-bola no hampindrana ny volany amin’ny olona na ny orinasa tsy fantany. Ny BIC no manome ireo antontan-kevitra mahakasika izany, toy ny mombamomba ny findramam-bola efa natao taloha, ny famerenam-bola. Eo ihany koa ny fifanakalozana ara-bola nataon’ny olona iray anaty finday, ny fandoavana ny jiro sy rano sy ireo fandoavam-bola rehetra notanterahana. Izany rehetra izany dia azo hanontaniana ao amin’io BIC io avokoa saingy tsy maintsy mila fahazoan-dalana avy amin’ilay olona. Manafaingana ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny fampindramam-bola ireny. Nilaza ihany koa ny Governora fa hampiakatra haingana ny tahan’ny fisitrahana ny tolotra ara-bola (service financier) amin’ny Malagasy ny fametrahana ny BIC. Mbola ambany mantsy izany satria 29% monja ireo olon-dehibe misehatra amin’ny tolotra ara-bola ny taona 2016. Tanjona ny hampiakarana izany ho 45% ny taona 2022 mba ho tombony ary hisitraka izany mihitsy ny rehetra(inclusion finançière). Nanambara ihany koa ny IFC (Société Finançière International), eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, fa hihena ny mety ho risika amin’ny fampindramam-bola ary hiteraka fanamorana amin’ny findramam-bola izany. Ankoatr’izay dia hahazo tombony amin’ity BIC ity ihany koa na ireo tsy mbola nisehatra tamin’ny Banky mihitsy aza satria mahafantatra ny antontam-baovao rehetra misy. Fiaraha-miasa amin’ny Banky Foiben’I Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena no nanatanterahana ny BIC ary tsy maintsy mbola ampahafantarina sy ho velabelarina miandalana amin’ny Malagasy rehetra izany.
Tsirinasolo
Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Banky Foibe sy ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.