Toekarena

Fanamboarana ny Lakandranon`i Pangalana Hisy akony tsara amin’ny toekarena


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Mponina 3 tapitrisa no hisitraka izao tetikasa izao, avy amin’ny kaominina Toamasina, Ambila Lemaitso, Andevoranto, Vatomandry,

 

Mahanoro, Nosy Varika, hatrany Mananjary, Manakara ary Farafangana. Ankoatra ny fisokafan’ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana, ny tanjona amin’izao asa fanamboarana goavana izao dia ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny trano fandraisam-bahiny manemitra ny lakandranon’i Pangalana. Lakan-drano izay miainga ao Toamasina ho any Mananjary ary mirefy 428 km nahafahana nitatitra ireo fambolena maro amin`iny ilany atsinanan’ny nosy fa ihany koa nampifandray ny olona samy olona. Hanatsara ny fitaterana ny vokatra, hiteraka asa ary mamelom-bolo ny sehatry ny fizahantany amin’izao ny fanadiovana sy ny fanamboarana ny lakan-dranon’i Pangalana, hoy ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro, Joel Randriamandrato nandritra ny fanombohan’ny asa haharitra efa-bolana ny asa fanamboarana izay hizara efatra : ny fanadiovana ny faritra marivo eo amin’ny fivoahan’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanadiovana ny faritra marivo eny avaratry ny farihin’i Ranomasay sy Rasoabe, ny fanadiovana ny faritra marivo eny Masomeloka sy ny manodidina ary ny fanadiovana ny vavan’ny lakandrano sy fanitarana ny tapany eo Andringitra. Famatsiam-bolan’ny fanjakana no hanatanterahana izao asa izao amin’ny alalan’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF).

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT