Toekarena

Fanamboarana fotodrafitrasa eto Madagasikara Mahatratra 500 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maro no efa nataon’i Madagasikara miaraka amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

 

 

Hatreto dia efa tafakatra hatrany amin’ny 185 miliara Ariary eo ho eo ny vola mahakasika ny fotodrafitrasa fotsiny. Saika fanamboaran-dalana no tena hiompanan’ny fandaniana ny vola satria na ireo mpamatsy vola, na ny mpitondra amin’izao dia saika milaza avokoa fa antoky ny fampandrosoana izany. Tsy vitsy ihany koa ny milaza fa tena sarotra ny famoaham-bokatra any amin’ny faritra ka tsy maintsy ihazakazahana ny fanamboaran-dalana.. Tsiahivina fa 676 tapitrisa dolara no efa neken’ny mpamatsy vola tamin’ny desambra 2016 ary ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena (CBI) no tompon’antoka tamin’izany. Efa fitohizan’asa fotsiny izany no tanterahan’ny mpitondra ankehitriny ary tetikasa fanamboaran-dalana atao mandrindra ny 4 taona efa novolavolain’ny minisiteran’ny asa vaventy tamin’izany no vantanina. Ekena fa tena tokony hisy fanamboaran-dalana lehibe eto Madagasikara raha tiana handroso ny toekarena. Ilaina ny lalana na amin’ny famoaham-bokatra, na amin’ny sehatra fizahan-tany. Anisan’ny nanenjehana mafy ny filoha Marc Ravalomanana ny fanamboaran-dalana nataony tamin’ireny taom-piasany ireny kanefa tena nampiavaka azy. Sady betsaka ny lalana natao no tsara kalitao ary maro ny vokatra tafakatra izay nahavelom-bolo ny tantsaha tamin’ny fotoan’androny. Mikofokofoka amin’ny fanamboaran-dalana ny fanjakana izay nilaza tamin’izany fa tsy fihinana ny lalana

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT