Toekarena

Fanambakana amin’ny vidina lavanila Nanakan-dàlana ireo tantsaha tao Sambava


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Raikitra ny grevy sy fanakanan-dàlan’ny tantsaha mpamboly lavanila tany Sambava omaly 12 jolay 2022 maraina.

Nentin'ireo tantsaha nidina an-dalambe ny lavanila tsy nisy mpividy amin'ny 75.000Ar. Samy nitondra ny vokatra tsy nisy mpividy izy ireo ary nobahanany ny lalam-pirenena mampitohy an’i Sambava sy Andapa. Vao naheno ity tranga ity ny Prefen'i Sambava dia nanao be midina niaraka amin'ny mpitandro filaminana hamerina ny filaminana, hoy ny fampitam-baovao. Misy managamo amin’ny vidiny mora ny tantsaha, ary mpandraharaha matanjaka no voalaza fa tena manao izany, ary ireo tsy mpanao fampodiana vola vahiny na « rapatriement des devises » no isan’ny voatonontonona ao anatin’io. Manomboka mitroatra noho izany ny tantsaha. Tsara ihany koa anefa no mampahatsiahy etsy ankilany, fa propagandin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila ka asa hoe : izay ve no niseho ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT